FAMPIASANA NY TEKNOLOJIA VAOVAO AMIN’NY FAHASALAMANA ENY IFOTONY
TOROLALANA HO AN’NY MPAMPIOFANA
Fampidirana
Natao ho fanampin’ny tahirin-kevitra hampiofanana ny AC, CSB, SDSP mikasika ny fampiasana ny teknolojia vaovao ho amin’ny fahasalamana eny ifotony ity torolalana ity. Afaka ampiasain’ny mpampiofana raha hampiofana AC sy CSB, afaka ampiasain’ny Sefo CSB ihany koa raha sendra hampanao famerenana na hanampy AC amin’ny fampiasana ny CommCare.
Voambolana
Fiofanana amin’ny teny malagasy no hatao, noho izany, misy voambolana tsara hizarana manokana rehefa hampita ny fiofanana mikasika ny fampiasana ny CommCare. Isan’izany ireto voambolana manaraka ireto:
Fisy: “Formulaire” amin’ny teny vahiny. Raha miditra ao anaty CommCare ka mahita lohahevitra iray izay mila fenoina raha hidirana, dia iny zavatra fenoina iny no atao hoe fisy.
Lohahevitra: “Module” amin’ny teny vahiny. Raha miditra ao anaty CommCare, dia hahita modules na lohahevitra maro ny mpampiasa izay mifandray amin’ireo karazana asa mety ho fanaony.
Pendesina - Mipendy: “Cliquer” na “Tap” amin’ny teny vahiny. Toy io no hilazana ny fomba fikitihina ny “écran” raha toa ka kitihina kely indray mandeha tsy maharitra.
Données mobiles na hoe Données: marika famantarana fa mandeha ny fifandraisana amin’ny alalan’ny aterineto.
Bokotra: Entina hilazana ny “bouton” mety hita ao anaty CommCare.
Fampidirana mikasika ny hetsika ara-teknolojika
Zavakinendry sy votoatiny |
Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia ho afaka manazava the antony nametrahana ny hetsika ara-teknolojika mampiasa ny CommCare sy mitanisa ireo mpiara-miombon’antoka mandray anjara amin’izany. Hita ao anatin’ity taranja ity ireo tanjona tiana ho tratrarina amin’ny fametrahana ny hetsika sy ireo mpiara-miombon’antoka. |
Faharetany |
30mn |
Fizotry ny fampianarana |
Famelabelarana fohy, fandefasana horonantsary mikasika ny hetsika. |
Ny tanjon’ny hetsika ara-teknolojika mampiasa ny CommCare
Maninona no napetraka ny hetsika ara-teknolojika mampiasa ny CommCare? |
Napetraka ny hetsika ara-teknolojika mampiasa ny CommCare mba: Hanatsarana ny kalitaon’ny asa sy hanamorana ny fandraisana an-tanana ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana Nampidirina ao anaty CommCare ny lohahahevitra momba ny SBE mba hanaovana tatitra eo ho eo ny tranga misy eny amin’ny fiarahamonina ka ahafahana mandray fanampahan-kevitra ara-potoana. Efa misy torolalana ka tsy manao kajikajy intsony fa miseho ho azy ireo dingana tokony hatao sy ny valiny mifandraika amin’ny zavatra hita. Hanatsarana ny kalitaon’ny tatitra Manatsara ny kalitaon’ny tatitra ihany koa ny CommCare satria: manafoana ny diso eo am-pamenoana azy (misy menamena miseho mampilaza vantany vao manoratra diso izy ka mila ovaina); tsy mivezivezy ny mpanentana ara-pahasalamana fa mandefa izany tatitra izany fotsiny amin’ny alalan’ny CommCare; tonga dia hitan’ireo mpanao tantsoroka – Sefo CSB, Ministera, tetikasa – ny tatitra alefa. |
Mahomby ve ny CommCare? |
Efa maro ireo mpanentana ara-pahasalamana sy ny CSB mampiasa CommCare, ary afa-po izy ireo. Tsara lavitra ny kalitaon’ny asan’ireo mpanentana ara-pahasalamana mampiasa ny CommCare, mahatsiaro ho maivana kokoa izy ireo amin’ny asany, ary haingana kokoa dia hita ny tatitra. Miaraka miasa hatrany ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanatsarana ny votoatiny mba hifanaraka amin’ny tena filàn’ny mpanentana ara-pahasalamana. |
Iza avy ireo mpampiasa ny CommCare? |
Ankehitriny dia ny Sefo CSB sy ny mpanentana ara-pahasalamana (AC) ary ny eny anivon’ny Distrika no mampiasa ny CommCare. |
Ireo mpiara-miombon’antoka
Iza avy ireo mpiara-miombon’antoka miara-miasa hametraka ny hetsika? |
Ireo mpiara-miombon’antoka miara-miasa hametraka the hetsika dia:
|
Fanehoana ankapobeny ny fampiasana ny CommCare
Zavakinendry sy votoatiny |
Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia ho afaka manazava ny fanehoana ankapobeny ny fiasan’i CommCare. Hita anatin’ity taranja ity ny fomba fiasan’ny CommCare, ny fomba fidirana amin’ny CommCare, ireo karazana bokotra telo raha vao tafiditra anaty CommCare sy ireo fiasany avy, ireo lohahevitra hita anaty CommCare. |
Faharetany |
1 ora 45 mn |
Fizotry ny fampianarana |
Tosa-kevitra, famelabelarana fohy, fampiharana, fampisehoana. |
Ny fomba fiasan’ny CommCare
Ahoana ny fidirana amin’ny CommCare?
Ahoana ny fampidirana ny anaran’ny mpampiasa sy teny miafina anaty CommCare?
Inona no mety hipoitra rehefa avy mipendy ny “Hiditra”?
Ireo karazana bokotra telo hita raha vao tafiditra amin’ny CommCare sy ireo fiasany avy
Ireo lohahevitra SBE hita anaty CommCare
Inona avy ireo lohahevitra SBE ao anaty CommCare? |
|
Ireo karazana fikiràna atao ao anaty CommCare
Inona avy ireo karazana fikiràna azo atao ao anaty CommCare? |
|
Ahoana no atao rehefa hanoratra? |
Tahaka ny fomba fanoratana rehefa mandefa hafatra na SMS amin’ny finday ihany ny fomba fanoratana ao anaty CommCare. Rehefa hanoratra dia mila pendesina eo amin’izay faritra tiana hanoratana. Hiseho ho azy eo ny “clavier” na fanoratana misy ny ABCD rehetra avy eo. Safidiana izay litera na isa tiana soratana. Rehefa mameno fisy ao anaty CommCare ka mila manoratra valim-panontaniana misesy maromaro: Afaka pendesina ny sarikely “flèche” mitodika miankavanana dia tonga dia mikisaka eo amin’ny fanontaniana manaraka. Afaka hialana ny “clavier” mba hahitana ny fanontaniana manaraka. |
Rahoviana ary ahoana no mandefa SMS avy ao amin’ny CommCare? |
Afaka mandefa SMS izay feno ho azy ny mpanentana ara-pahasalamana rehefa nanao fitsirihana. Fomba Fandefasana SMS avy ao amin’ny CommCare: Rehefa avy manao fitsirihana dia tonga mipoitra avy hatrany ny soratra hoe « Handefa SMS ». Tonga dia efa voasoratra ho azy ny laharan’ny olona handefasana ny SMS sy ny vatan’ny SMS ho alefa, tsy misy mila ovaina intsony fa avy hatrany dia alefa. Rehefa lasa ny SMS dia tsy maintsy miverina ao amin’ny CommCare milaza na lasa na tsia ny SMS ary mamarana ny famenoana ny fisy amin’ny alalan’ny fanindriana ny “TAPITRA”. |
Fitsirihina
Zavakinendry sy votoatiny |
Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia ho afaka manantanteraka ny fanaovana fitsirihana tranga amin’ny alalan’ny CommCare. Hita anatin’ity taranja ity ny famenoana ny fisy fanairana. |
Faharetany |
1 ora 30 min |
Fizotry ny fampianarana |
Famelabelarana fohy, fampiharana |
Famenoana fisy Fitsirihina
Sivana sy fanamarinana
Fanivanana (Triage)
Raha mbola tsy vita ny sivana sy/na ny fanamarinana dia misy “non” ny tsanganana tandrify izany. Rehefa vita kosa izany dia hiova “oui”.
Fanamarinana
Vérification
Evaluation/tombana
Evaluation
Rehefa vita sivana sady voamarina teo anivon’ny CSB ny tranga izay notanterin’ny mpanentana ara-pahasalamana dia alefa eny anivon’ny distrika izany mba hanaovana “tombana”. Mamaly ireo fanontaniana izay hita ao anaty CommCare fotsiny ireo, arakaraky ny zavatra mitranga ka avoakan’ny CommCare eo no ho eo ny vokatry ny tombana mamaritra ny haavon’ny loza (niveau de risque) / fiatriakan’ny tranga amin’ny fahasalamam-bahoaka.
Rehefa vita ny fanaovana tombana dia afaka mandefa SMS any amin’ny ambaratonga ambony ihany koa ho fampahafantarana azy ireo ny zavamisy.