Curriculum SBE CommCare

TAHIRIN-KEVITRA HANOFANANA NY MPANENTANA ARA-PAHASALAMANA SY NY MPANAO TANTSOROKA MAHAKASIKA NY FAMPIASANA NY TEKNOLOJIA VAOVAO AMIN’NY FAHASALAMANA ENY ANIVON’NY FIARAHA-MONINA - SBE

FAMPIDIRANA

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, dia nametraka ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny finday ho fanatsarana ny fahasalamana eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny tanjon’izany dia: (1) hanatsarana ny kalitaon’ny antontan-kevitra sy tatitra miakatra avy amin’ny mpanentana ara-pahasalamana; (2) hanafaingana ny fiakaran’ny tatitra sy fampandrenesana raha sendra misy tranga ara-pahasalamana na aretina arahimaso manokana, na valan’aretina; (3) hanatsarana ireo fanapahan-kevitra tokony ho raisina sy ny asa mifanandrify izany. Nohatsaraina, nampitomboana araka izay filana hita ary nampifanarahana amin’ny fitaovana an-taratasy hatrany ny vontoatin’ny fitaovana ampiasaina dia ny CommCare izany. Hapetraka ity fiofanana ity mba hanamafy orina ny fahaiza-mampiasa ny finday sy ireo kojakoja miaraka aminy, ary indrindra ny fitaovana teknolojika vaovao CommCare izay natsofoka tao anatiny.


NY IANTEFAN’NY FIOFANANA

Natao ho an’ireo mpanentana ara-pahasalamana sy tompon’andraikitra eny amin’ny CSB ary ny eny anivon’ny distrika ity fiofanana fanampiny ity.


ZAVAKINENDRIN’NY FIOFANANA

Natao hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony, ny kalitao sy ny fahafainganan’ny tatitra mila halefan’ny mpanentana ara-pahasalamana ary ny tantsoroka ataon’ny sefo CSB sy ny tompon’andraikitra distrika ity fiofanana.


FOTO-KEVITRA IAINGAN’NY FAMPIOFANANA

Manaja ny fomba fianaran’ny olondehibe ny fampiofanana. ho tandrovina amin’izany:

  • Ny fanasongadinana ny traikefa ananan’ny tsirairay;

  • Ny fifanakalozana eo amin’ny tsirairay;

  • Ny fandraisana anjara mavitrika;

  • Ny fikirakirana mivantana ny fitaovana.

Anisan’ny foto-kevitra iaingan’ny fampiofanana ny fampiharana sy ny famerimberenana ireo fahaiza-manao fototra mandritra ny fiofanana.


TEKNIKA HO ENTI-MAMPIOFANA

Lafiny maro no mahasarotra ny fisafidianana ireo teknika ho enti-mampiofana: Fitaovana ampiasain’ny mpiofana (finday avo lenta, tablette, Power Bank, famahanana amin’ny alalan’ny masoandro,). Mila mampiasa fitaovana teknolojika ihany koa mandritra ny fampiofanana (vidéoprojecteur, solosaina). Ny amin’ny lafiny ara-teknika, misy ny asa vaovao (Fanaovana fitsirihana, sivana, fanamarinana ary tombana ny tranga izay miseho eny amin’ny fiarahamonina ka mety hisy fiatraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka).

Ireto avy ireo teknika ho enti-mampiofana:

  • Famelabelarana fohy;

  • Tosa-kevitra;

  • Fanontaniana arahana valiny;

  • Fampiharana;

  • Fanazarana;

  • Tranga notsongaina;

  • Famakiana tahirin-kevitra;

  • fampisehoana.

Tsara indrindra raha misy mpampiofana iray manazava eny aloha, ary ilaina koa ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana ataon’ny mpiofana. Noho izany, mpampiofana iray ho an’ny mpiofana efatra na dimy fara fahabetsany no ilaina hahatomombana ny fiofanana. Ity fiofanana ity dia mila fanarahamaso akaiky sy fampiharana maro ka tokony ferana dimy amby roapolo fara faha-betsany ny isan’ny mpiofana, ho an’ny mpampiofana miisa dimy.


TANJONA ANKAPOBEN’NY FIOFANANA

Mpanentana ara-pahasalamana sy mpanao tantsoroka manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny teknolojia CommCare sy ny fitaovana ilaina miaraka aminy araka ny fiofanana azony.


TANJONA MANODIDINA NY FAMPIHARANA

Rehefa tonga eny amin’ny toerana izay misy azy ny mpanentana ara-pahasalamana dia tokony ho afaka:

  • Mampiasa sy mikojakoja ny fitaovana;

  • Mampiasa ny CommCare amin’ny fanaovana fitsirihana;

  • Mameno ireo karazana tatitra amin’ny alalan’ny CommCare.

Rehefa vita kosa ny fiofanana ,ireo tompon’andraikaitra eny anivon’ny CSB dia ho afaka:

  • Manao sivana ireo tranga izay nalefan’ny mpanentana aram-pahasalamana

  • Manamarina ny tranga izay voatatitra

Rehefa vita kosa ny fiofanana ,ireo tompon’andraikaitra eny anivon’ny distrika dia ho afaka:

  • Manao tombana ny ho fiatraikan’ny tranga eo amin’ny fahasalamam-bahoaka izay nalefan’ny mpanentana aram-pahasalamana


VOTOATIN’NY FIOFANANA

Ahitana lohahevitra 2 sy taranja 4 ny fiofanana.

  • Lohahevitra A: Fanehoana ankapobeny ny CommCare

  • Taranja 1: Fomba fiasan’ny CommCare

  • Lohahevitra B: Fanaovana SBE ao amin’ny CommCare

  • Taranja 1: Famenoana ny fisy fitsirihana

  • Taranja 2: Fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga

  • Taranja 3: Fanoavana tombana ny fiatriakan’ny tranga izay notanterina


TOMBANEZAKA NY FIOFANANA

Ilaina ny ahafantarana ny fahalalan’ny mpiofana eo am-piandohana ahazoana manatsara ny fizotra ny fiofanana.

Zava-dehibe noho izany ny fanaovana tombana ny fahalalan’ny mpiofana tsirairay sy ny tombana ankapobeny ny fiofanana aorian’ny fampianarana mba hahafantarana ny fahatratrarana ny tanjona, ny tombony azony nandritra ny fiofanana ary entina manatsara ny fiofanana atao any aoriana.


FAHARETAN’NY FIOFANANA

Maharitra roa (02) andro ny fiofanana.


TOROLALAM-PANOFANANA

LOHAHEVITRA A: FANEHOANA ANKAPOBENY NY COMMCARE

Taranja 1 : Fomba fiasan’ny CommCare (1ora 30 min)

Tanjona manokana

Lohateny

Faharetany

Zotrany fampianarana

Fitaovana

Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia tokony ho afaka:

1-Manazava ny fomba fiasan’ny CommCare;

2- Manazava ny fomba fidirana ao amin’ny CommCare;

3- Manazava ny fampiasana ny bokotra telo

4- Mitanisa ireo fikirana afaka atao ao amin’ny CommCare

Fomba fiasan’ny CommCare: Mitovy amin’ny fomba famenoana rejistra an-taratasy ihany ny CommCare. Manao tatitra ary mitatitra ny tranga misy eo @ fiaraha-monina; tonga dia lasa any amin’ny mpanao tantsoroka eo no eo ny asa natao amin’ny alalan’ny fanaovana fandrindrana amin’ny serveur ho solon’ny fanaovana sy fanolorana tatitra taratasy an-tanana. Mila internet ny fandefasana ny asa vita ka noho izany dia mila mandefa données sy mila manana crédit internet; afaka miasa ao amin’ny CommCare foana ihany anefa na dia tsy misy internet aza.

Fomba fidirana amin’ny CommCare: Mba hahafahana miasa ao amin’ny CommCare dia mila mampiditra ny anaran’ny mpampiasa sy ny teny miafina (hita ao ambadiky ny finday). Ny karazana kaonty afaka ampiasaina: (1) Kaonty manokana: ilay misoratra ao ambadiky ny finday, ampiasaina rehefa tena hiasa, samihafa avokoa ny anaran’ny mpampiasa. (2) Kaonty Test: kaonty ampiasaina mandritry ny fiofanana sy rehefa hanao fanazarana.

Fanazavana ny fampiasana ireo bokotra telo hita eo amin’ny pejy fandraisana: HANOMBOKA: pendesina rehefa hanomboka hiasa. HANDRINDRA AMIN’NY SERVEUR: pendesina isaky ny avy miasa ao amin’ny CommCare mba hampitana ny asa vita any amin’ireo tompon’andraikitra ka tsy hahavery azy. TAPAHANA NY FIFANDRAISANA: Tsy maintsy pendesina ny bokotra « Tapahana ny fifandrasaina eo amin’ny CommCare » isaky ny avy mampiasa ny CommCare.

Betsaka ny zavatra afaka atao ao anaty CommCare, toy ny: Manoratra: rehefa mirakitra ny mikasika ny olona raisina sy mandritra ny fandraisana an-tanana. Mandefa SMS: mba hampitàna ny zava-misy any amin’ireo tompon’andraikitra. Maka sary: satria mbola sady miasa amin’ny rejisitra no miasa amin’ny CommCare dia mila alaina sary ireo tahirin-kevitra noraketina tao anaty CommCare mba hahafahana mandika izany ao anaty rejisitra. Mijery horonantsary fampahatsiahivana ny fampiasana CommCare.

5 mn

Fametrahana tontolo mahafinaritra. Famakiana sy fanazavana ny tanjona manokana.

Asa 1: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fomba fiasan’ny CommCare ny mpampiofana, ary tohizany amin’ny famelabelarana ny antony ilana internet.

Asa 2: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fomba fidirana ao amin’ny CommCare ny mpampiofana. Fanazavana ny fampiasana ireo karazana kaonty afaka ampiasaina mba hidirana amin’ny CommCare.

Asa 3: Fampiharana. Dingana a: Asehon’ny mpampiofana ny angatahina amin’ny mpiofana: miditra amin’ny kaonty « TEST ». Dingana b: Mangataka ny mpiofana rehetra mba hanao torak’izany.

Asa 4: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fampiasana ireo bokotra telo ny mpampiofana.

Asa 5: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny karazana fikirana afaka atao ao amin’ny CommCare ny mpampiofana.

finday

Takelaka mitahiry ny fomba fidirana amin’ny CommCare.

Finday

Finday

Takelaka mitahiry ny fikirana afaka atao ao amin’ny CommCare.


TOROLALAM-PANOFANANA

LOHAHEVITRA B: Fanaovana SBE ao amin’ny CommCare

Taranja 1: Famenoana ny fisy fitsirihina ao amin’ny CommCare (1ora 30min)

Zavakinendry sy votoatiny:

Natao mba ahanfantaran’ny mpiofana ny fomba fanaovana fitsirihina tranga sy ny fandefasna izany amin’ny alalan’ny CommCare.

Faharetana: 1ora 30 min

Tanjona manokana:

Aorian’ity taranja ity, ny mpiofana dia tokony ho afaka:

  • Mirakitra fitsirihina tranga ao anaty CommCare;

  • Mandefa ireo fitsirihina tranga eny anivon’ny tompon’andraikitr any CSB;

Tanjona manokana

Lohateny

Faharetany

Zotrany fampianarana

Fitaovana

Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia tokony ho afaka:

Mirakitra fitsirihina tranga ao anaty CommCare;

Famenoana ny fisy fitsirihina ao amin’ny CommCare: Mba hahafahana mameno ny fisy fitsirihana ao anaty CommCare dia mila miditra ao anaty lohahevitra « andrimaso aram-pahasalamana ny AC ». Misafidy ny vohitra misy azy izy vao miseho ilay lakolosy fotsy izay miloko mena ny sisiny ka mipendzy izany. Maromaro ireo tranga afaka anaovana fitsirihina ka azavaina amin’ny mpiofana izany alohan’ny hanaovana ny safidy. Valiana ireo fanontaniana izay ao anaty CommCare. Ny tatitra ny fitsirihana dia mila alefa eo no ho eo mba hahafahana manam-pankevitra aram-potoana. Noho izany rehefa feno ny fisy ka nipendy ny « TAPITRA » dia mila mandrindra avy hatrany mba hahatongavan’izany eny amin’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny CSB.

Fametrahana tontolo mahafinaritra. Famakiana sy fanazavana ny tanjona manokana.

Asa 1: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny karazana tranga mety ho hita ao amin’ny lisitra ao amin’ny CommCare ny mpampiofana.

Asa 2: Fampisehoana. Dingana a: Manao fampisehoana ny fomba firaketana fitsirihina ao amin’ny CommCare.

Asa 3: Fampiharana. Dingana a: Manazava ny zavatra angatahina amin’ny mpiofana ny mpampiofana: mampiditra fitsirihana ao amin’ny CommCare. Dingana b: Mangataka ny mpiofana rehetra mba samy hanao fitsirihana 1 ao amin’ny CommCare ny mpampiofana. Misy mpampiofana mitarika eny aloha.

Asa 4: Tranga notsongaina. Dingana a: Omen’ny mpampiofana ny zavatra tokony atao mandritry ny fampiharana. Ireto no angatahina amin’ny mpiofana: Ny mampiditra ny tranga nanaovana fitsirihina; Ny fahaizany mandefa ny SMS fandefasana eny amin’ny CSB; Ny fahaizany mandrindra aorian’ny fahafenoan’ny tatitra. Dingana b: Mangataka mpiofana iray mazoto hampiseho ny vokatry ny asa nataony ny mpampiofana ary mitarika adihevitra. Dingana d: Manatanteraka ny fanitsiana ny mpampiofana ary manentana ny mpiofana hametraka fanontaniana fanampiny raha misy.

Takelabe, fanoratana, solosaina, video projecteur, tanjona manokana

Takelaka mitahiry ny karazana tranga.

Finday

Finday

Finday


Taranja 2 : Fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga (1ora)

Zavakinendry sy votoatiny:

Natao mba ahanfantaran’ny mpiofana ny fomba fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga amin’ny alalan’ny CommCare.

Faharetana: 1 ora

Tanjona manokana:

Aorian’ity taranja ity, ny mpiofana dia tokony ho afaka:

  • Manao sivana ny tranga notanterin’ny mpanetana aram-pahasalamana;

  • Manao fanamarinana ny tranga vita sivana;

  • Mandefa ny tranga voamarina eny anivon’ny distrika.

Tanjona manokana

Lohateny

Faharetany

Zotrany fampianarana

Fitaovana

Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia tokony ho afaka:

1-Manao sivana ireo tranga voatatitra;

2-Manao fanamarinana ireo tranga voasivana;

Fanaovana sivana ireo tranga voatatitra ao amin’ny CommCare: Maro ireo lohahevitra hita ao anatin’ny CommCare ampiasain’ny sefo CSB ka pendesina ny lohahevitra « surveillance communautaire » mba ahafahana mahaita ny bokotra fanaovana sivana. Rehefa voapendy izany dia pendesina ny bokotra « Triage et Vérification » ka miseho eo avokoa ny tranga nanaovan’ny AC fitsirihana. Mila mandrindra ny sefo CSB mba hahitana ireo tatitra ny fitsirihana ireo. Manampy ihany koa ny SMS izay nalefan’ny AC izay vosoratra ho azy avy tao amin’ny CommCare ka raha vao maharay izany ny sefo CSB dia mahalala fa misy tranga hitan’ny AC ka mila anaovana sivana. Jerena ao anatin’ny lisitra ny tranga izay hanaovana sivana. Ny tranga mbola tsy vita sivana dia misy « non » ny tsanganana tandrify an’izany. Manao sivana ilay tranga ny sefo CSB amin’ny famaliana ny fanontaniana izay mipetraka ao anaty CommCare.

Fanamarinana ireo tranga voasivana ao amin’ny CommCare: Maro ireo lohahevitra hita ao anatin’ny CommCare ampiasain’ny sefo CSB ka pendesina ny lohahevitra « surveillance communautaire » mba ahafahana mahaita ny bokotra fanaovana « fanamarinana ». Jerena ary safidina ao anatin’ny lisitry ny tranga izay hanaovana fanamarinana, marihina fa tranga efa vita sivana no hamarinina. Hamarinana ilay tranga amin’ny alalan’ny famaliana ny fanontaniana izay mipetraka ao amin’ny CommCare. Mandrindra ilay tatitra ny sefo CSB mba ho hitan’ny eny anivon’ny distrika ny tranga misy ary alefa ihany koa ny SMS izay efa voasoratra ny CommCare.

Fametrahana tontolo mahafinaritra. Famakiana sy fanazavana ny tanjona manokana.

Asa 1: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fanaovana sivana ny tranga izay voatatitra ao amin’ny CommCare ny mpampiofana.

Asa 2: Fampisehoana. Dingana a: Manao fampisehoana ny fomba fanaovana sivana ao amin’ny CommCare.

Asa 3: Fampiharana. Dingana a: Manazava ny zavatra angatahina amin’ny mpiofana ny mpampiofana: manao sivana ao amin’ny CommCare. Dingana b: Mangataka ny mpiofana rehetra mba samy hanao sivana tranga iray ao amin’ny CommCare ny mpampiofana. Misy mpampiofana mitarika eny aloha.

Asa 1: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fanamarinana ny tranga izay voatatitra ao amin’ny CommCare ny mpampiofana.

Asa 2: Fampisehoana. Dingana a: Manao fampisehoana ny fomba fanaovana ny fanamarinana ao amin’ny CommCare.

Asa 3: Fampiharana. Dingana a: Manazava ny zavatra angatahina amin’ny mpiofana ny mpampiofana: manao fanamarinana ao amin’ny CommCare. Dingana b: Mangataka ny mpiofana rehetra mba samy hanao fanamarinana tranga 1 izay efa vita sivana ao amin’ny CommCare ny mpampiofana. Misy mpampiofana mitarika eny aloha.

Takelabe, fanoratana, solosaina, video projecteur, tanjona manokana

Finday

Finday

Finday

Finday

Finday


Taranja 3: Fanaovana tombana ny tranga izay notanterina (1ora)

Zavakinendry sy votoatiny:

Natao mba ahanfantaran’ny mpiofana ny fomba fanaovana tombana ny tranga izay voamarina amin’ny alalan’ny CommCare.

Faharetana: 1 ora

Tanjona manokana:

Aorian’ity taranja ity, ny mpiofana dia tokony ho afaka:

  • Manao tombana ny tranga voamarina;

  • Mandefa SMS any amin’ny ministera fahasalam-bahoaka centrale

Tanjona manokana

Lohateny

Faharetany

Zotrany fampianarana

Fitaovana

Aorian’ity taranja ity ny mpiofana tsirairay dia tokony ho afaka:

1-Manao sivana ireo tranga voatatitra;

Fanaovana tombana ireo tranga voatatitra ao amin’ny CommCare: Rehefa mandrindra ny mpampiasa ny CommCare eny anivon’ny distrika dia mahavoaray ireo tranga voamarina avy any amin’ny CSB. Jerena ao anatin’ny lisitra ny tranga izay hanaovana tombana. Manao tombana ilay tranga amin’ny famaliana ny fanontaniana izay mipetraka eo fa tsy mila manao kajikajy intsony dia mivoaka ho azy ny valiny. Mandefa SMS izay efa voasoratra ho azy tao amin’ny CommCare any amin’ny ministera any fahasalam-bahoaka centrale.

Fametrahana tontolo mahafinaritra. Famakiana sy fanazavana ny tanjona manokana.

Asa 1: Famelabelarana fohy. Dingana a: Manazava ny fanaovana tombana ny tranga izay voatatitra ao amin’ny CommCare ny mpampiofana.

Asa 2: Fampisehoana. Dingana a: Manao fampisehoana ny fomba fanaovana tombana ny tranga ao amin’ny CommCare.

Asa 3: Fampiharana. Dingana a: Manazava ny zavatra angatahina amin’ny mpiofana ny mpampiofana: manao tombana ny tranga izay voatatitra ao amin’ny CommCare. Dingana b: Mangataka ny mpiofana rehetra mba samy hanao tombana tranga 1 ao amin’ny CommCare ny mpampiofana. Misy mpampiofana mitarika eny aloha.

Takelabe, fanoratana, solosaina, video projecteur, tanjona manokana

Finday

Finday


Tombanezaka isanandro

Inona ireo zavatra hitanao fa tsara? (Inona no zava-baovao voarainao)

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………… Inona no tokony hatsaraina?

………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Inona no sosokevitrao?

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Misaotra Tompoko!