.. _curriculum_sbe_commcare: Curriculum SBE CommCare ======================== .. contents:: Ao amin'ity pejy ity :local: :depth: 2 ---- .. admonition:: Momba ity tahirin-kevitra ity :class: note **TAHIRIN-KEVITRA HANOFANANA NY MPANENTANA ARA-PAHASALAMANA SY NY MPANAO TANTSOROKA** mahakasika ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin'ny fahasalamana eny anivon'ny fiaraha-monina — **SBE** ---- FAMPIDIRANA ------------ Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka, dia nametraka ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny finday ho fanatsarana ny fahasalamana eny anivon'ny fiaraha-monina. Ny tanjon'izany dia: - Hanatsarana ny kalitaon'ny antontan-kevitra sy tatitra miakatra avy amin'ny mpanentana ara-pahasalamana - Hanafaingana ny fiakaran'ny tatitra sy fampandrenesana raha sendra misy tranga ara-pahasalamana - Hanatsarana ireo fanapahan-kevitra tokony ho raisina sy ny asa mifanandrify izany Nohatsaraina, nampitomboana araka izay filana hita ary nampifanarahana amin'ny fitaovana an-taratasy hatrany ny vontoatin'ny fitaovana ampiasaina — **CommCare** izany. ---- NY IANTEFAN'NY FIOFANANA ------------------------- Natao ho an'ireo **mpanentana ara-pahasalamana** sy **tompon'andraikitra** eny amin'ny CSB ary ny eny anivon'ny distrika ity fiofanana fanampiny ity. ---- ZAVAKINENDRIN'NY FIOFANANA --------------------------- Natao hanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony, ny kalitao sy ny fahafainganan'ny tatitra mila halefan'ny mpanentana ara-pahasalamana ary ny tantsoroka ataon'ny sefo CSB sy ny tompon'andraikitra distrika ity fiofanana. ---- FOTO-KEVITRA IAINGAN'NY FAMPIOFANANA -------------------------------------- Manaja ny fomba fianaran'ny olondehibe ny fampiofanana. Ho tandrovina amin'izany: - Ny fanasongadinana ny traikefa ananan'ny tsirairay - Ny fifanakalozana eo amin'ny tsirairay - Ny fandraisana anjara mavitrika - Ny fikirakirana mivantana ny fitaovana Anisan'ny foto-kevitra iaingan'ny fampiofanana ny fampiharana sy ny famerimberenana ireo fahaiza-manao fototra mandritra ny fiofanana. ---- TEKNIKA HO ENTI-MAMPIOFANA ---------------------------- Ireto avy ireo teknika ho enti-mampiofana : - Famelabelarana fohy - Tosa-kevitra - Fanontaniana arahana valiny - Fampiharana - Fanazarana - Tranga notsongaina - Famakiana tahirin-kevitra - Fampisehoana .. note:: Tsara indrindra raha misy mpampiofana iray manazava eny aloha, ary ilaina koa ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana ataon'ny mpiofana. Noho izany, **mpampiofana iray ho an'ny mpiofana efatra na dimy** fara fahabetsany no ilaina. Ferana **dimy amby roapolo** fara faha-betsany ny isan'ny mpiofana, ho an'ny mpampiofana miisa dimy. ---- TANJONA ANKAPOBEN'NY FIOFANANA -------------------------------- Mpanentana ara-pahasalamana sy mpanao tantsoroka manatanteraka ny asany amin'ny alalan'ny teknolojia **CommCare** sy ny fitaovana ilaina miaraka aminy araka ny fiofanana azony. ---- TANJONA MANODIDINA NY FAMPIHARANA ----------------------------------- **Rehefa tonga eny amin'ny toerana izay misy azy ny mpanentana ara-pahasalamana dia tokony ho afaka :** - Mampiasa sy mikojakoja ny fitaovana - Mampiasa ny CommCare amin'ny fanaovana fitsirihana - Mameno ireo karazana tatitra amin'ny alalan'ny CommCare **Rehefa vita kosa ny fiofanana, ireo tompon'andraikaitra eny anivon'ny CSB dia ho afaka :** - Manao sivana ireo tranga izay nalefan'ny mpanentana aram-pahasalamana - Manamarina ny tranga izay voatatitra **Rehefa vita kosa ny fiofanana, ireo tompon'andraikaitra eny anivon'ny distrika dia ho afaka :** - Manao tombana ny ho fiatraikan'ny tranga eo amin'ny fahasalamam-bahoaka ---- VOTOATIN'NY FIOFANANA ---------------------- Ahitana **lohahevitra 2** sy **taranja 4** ny fiofanana. .. list-table:: Firafitry ny fiofanana :header-rows: 1 :widths: 20 30 50 * - Lohahevitra - Taranja - Votoatiny * - **A** — Fanehoana ankapobeny ny CommCare - Taranja 1 - Fomba fiasan'ny CommCare * - **B** — Fanaovana SBE ao amin'ny CommCare - Taranja 1 - Famenoana ny fisy fitsirihana * - - Taranja 2 - Fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga * - - Taranja 3 - Fanaovana tombana ny fiatriakan'ny tranga izay notanterina ---- TOMBANEZAKA NY FIOFANANA ------------------------- Ilaina ny ahafantarana ny fahalalan'ny mpiofana eo am-piandohana ahazoana manatsara ny fizotra ny fiofanana. Zava-dehibe noho izany ny fanaovana tombana ny fahalalan'ny mpiofana tsirairay sy ny tombana ankapobeny ny fiofanana aorian'ny fampianarana mba hahafantarana ny fahatratrarana ny tanjona. ---- FAHARETAN'NY FIOFANANA ----------------------- .. list-table:: :widths: 30 70 :header-rows: 0 * - **Faharetan'ny fiofanana** - Maharitra **roa (02) andro** ny fiofanana ---- TOROLALAM-PANOFANANA --------------------- LOHAHEVITRA A — Fanehoana ankapobeny ny CommCare ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ **Taranja 1 : Fomba fiasan'ny CommCare** *(1 ora 30 min)* .. list-table:: Taranja 1 — Torolalam-panofanana :header-rows: 1 :widths: 25 75 * - Sehatra - Votoatiny * - **Zavakinendry** - Natao hahafantaran'ny mpiofana ny fomba fiasan'ny CommCare. Hojerena manokana ny fomba fidirana amin'ny CommCare sy ireo fikiràna afaka atao ao amin'ny CommCare. * - **Faharetany** - 1 ora 30 min * - **Tanjona manokana** - Manazava ny fomba fiasan'ny CommCare; Manazava ny fomba fidirana ao amin'ny CommCare; Manazava ny fampiasana ny bokotra telo; Mitanisa ireo fikirana afaka atao ao amin'ny CommCare. .. list-table:: Fizotry ny fampianarana — Taranja 1 :header-rows: 1 :widths: 20 25 40 15 * - Tanjona manokana - Lohateny - Zotrany fampianarana - Fitaovana * - Manazava ny fomba fiasan'ny CommCare - Fomba fiasan'ny CommCare - **Asa 1:** Famelabelarana fohy — Manazava ny fomba fiasan'ny CommCare sy ny antony ilana internet - Finday * - Manazava ny fomba fidirana ao amin'ny CommCare - Fomba fidirana amin'ny CommCare - **Asa 2:** Famelabelarana fohy — Fanazavana ny fampiasana ireo karazana kaonty. **Asa 3:** Fampiharana — Miditra amin'ny kaonty "TEST" - Takelaka mitahiry ny fomba fidirana; Finday * - Manazava ny fampiasana ny bokotra telo - Bokotra telo hita eo amin'ny pejy fandraisana - **Asa 4:** Famelabelarana fohy — Manazava ny fampiasana ireo bokotra telo - Finday * - Mitanisa ireo fikirana afaka atao - Karazana fikirana ao amin'ny CommCare - **Asa 5:** Famelabelarana fohy — Manazava ny karazana fikirana afaka atao - Takelaka mitahiry ny fikirana; Finday ---- LOHAHEVITRA B — Fanaovana SBE ao amin'ny CommCare ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ **Taranja 1 : Famenoana ny fisy fitsirihina ao amin'ny CommCare** *(1 ora 30 min)* .. list-table:: Taranja 1 — Torolalam-panofanana :header-rows: 1 :widths: 25 75 * - Sehatra - Votoatiny * - **Zavakinendry** - Natao mba ahanfantaran'ny mpiofana ny fomba fanaovana fitsirihina tranga sy ny fandefasana izany amin'ny alalan'ny CommCare. * - **Faharetana** - 1 ora 30 min * - **Tanjona manokana** - Mirakitra fitsirihina tranga ao anaty CommCare; Mandefa ireo fitsirihina tranga eny anivon'ny tompon'andraikitra any CSB. .. list-table:: Fizotry ny fampianarana — Taranja 1 (Lohahevitra B) :header-rows: 1 :widths: 25 30 30 15 * - Tanjona manokana - Lohateny - Zotrany fampianarana - Fitaovana * - Mirakitra fitsirihina tranga ao anaty CommCare - Famenoana ny fisy fitsirihina ao amin'ny CommCare - **Asa 1:** Famelabelarana fohy; **Asa 2:** Fampisehoana; **Asa 3:** Fampiharana; **Asa 4:** Tranga notsongaina - Takelabe, finday, solosaina, video projecteur ---- **Taranja 2 : Fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga** *(1 ora)* .. list-table:: Taranja 2 — Torolalam-panofanana :header-rows: 1 :widths: 25 75 * - Sehatra - Votoatiny * - **Zavakinendry** - Natao mba ahanfantaran'ny mpiofana ny fomba fanaovana sivana sy fanamarinana ny tranga amin'ny alalan'ny CommCare. * - **Faharetana** - 1 ora * - **Tanjona manokana** - Manao sivana ny tranga notanterin'ny mpanentana aram-pahasalamana; Manao fanamarinana ny tranga vita sivana; Mandefa ny tranga voamarina eny anivon'ny distrika. ---- **Taranja 3 : Fanaovana tombana ny tranga izay notanterina** *(1 ora)* .. list-table:: Taranja 3 — Torolalam-panofanana :header-rows: 1 :widths: 25 75 * - Sehatra - Votoatiny * - **Zavakinendry** - Natao mba ahanfantaran'ny mpiofana ny fomba fanaovana tombana ny tranga izay voamarina amin'ny alalan'ny CommCare. * - **Faharetana** - 1 ora * - **Tanjona manokana** - Manao tombana ny tranga voamarina; Mandefa SMS any amin'ny ministera fahasalam-bahoaka centrale. ---- Tombanezaka isanandro ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ .. list-table:: :widths: 40 60 :header-rows: 0 * - Inona ireo zavatra hitanao fa tsara? - *(Inona no zava-baovao voarainao)* * - Inona no tokony hatsaraina? - * - Inona no sosokevitrao? - .. note:: **Misaotra Tompoko!**